jeudi 31 mai 2012

SALAMO 37:1-2 (DIEM) ; Salamo 26:2 ; Siràka 11:2 (Katôlika)


  • Maraina
Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy ary aza mialona ireo mpanao heloka; fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo, toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina. SALAMO 37:1-2 (DIEM) 


  • Antoandro
"Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko." Salamo 26:2 


  • Alina
"Aza midera olona noho ny hatsaran-tarehiny, ary aza marikoriko azy noho ny endriny ivelany." Siràka 11:2 (Katôlika) 

mercredi 30 mai 2012

MARKA 2:5 (DIEM) ; Hebreo 4:15 ; Salamo 111:2 (Katôlika)

  • Maraina
Voavela ny helokao, anaka! MARKA 2:5 (DIEM) 

  • Antoandro
"Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota." Hebreo 4:15 


  • Alina
"Lehibe ny asan'ny Tompo, katsahin'ny olona Izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy." Salamo 111:2 (Katôlika) 

mardi 22 mai 2012

KOLOSIANINA 2:20 (DIEM); Ohabolana 31:30 ; Matio 5:25a (Katôlika)

  • Maraina
"Niara-maty tamin'i Kristy ianareo sady afaka tamin'ny herin-javatra mangeja an'izao tontolo izao. Koa nahoana ianareo no miaina toy ny mbola voafehin'izao tontolo izao?" KOLOSIANINA 2:20 (DIEM)

  • Antoandro
"Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina." Ohabolana 31:30 


  • Alina
"Mihavàna faingana amin'izay manana ady aminao." Matio 5:25a (Katôlika) 

lundi 21 mai 2012

2SAMOELA 22 :7 (DIEM) ; Ohabolana 17:3 ; Tobià 4:16 (Katôlika)

  • Maraina
« Tao an-katerena aho no velon-taraina sy niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamanitro, ka tany an-Tempoliny Izy no nandre ny feoko ary koa nihaino izany antsoantsoko ». 2SAMOELA 22 :7 (DIEM) 

  • Antoandro
« Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo  ». Ohabolana 17:3 


  • Alina
« Mitandrema tsara mba tsy hanao amin'ny hafa izay mahatezitra anao raha atao aminao  ». Tobià 4:16 (Katôlika) 

dimanche 20 mai 2012

2 Tantara 7:15-16 (DIEM); Eksodosy 19:5; Izaia 1:16 (Katôlika)


  • Maraina

"Ankehitriny no ijeren'ny masoko sy ihainoan'ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity. Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran'ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo." 2 Tantara 7:15-16 (DIEM) 

  • Antoandro

"Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra." Eksodosy 19:5 

  • Alina

"Misasà ianareo, midiova ianareo, esory hiala eo imasoko ny asa ratsy nataonareo, atsaharo ny fanaovan-dratsy." Izaia 1:16 (Katôlika)

samedi 19 mai 2012

MATIO 28:18-20 (DIEM) ; Joany 17:15 (Katôlika)

  • Maraina
"Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan'andro vaky mandra-pahatongan'ny fiafaran'izao tontolo izao". MATIO 28:18-20 (DIEM) 

  • Alina
"Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin'ilay Ratsy." Joany 17:15 (Katôlika)

vendredi 18 mai 2012

SALAMO 86:15-16 (DIEM) ; Ohabolana 23:13-14 ; Marka 16:15 (Katôlika)


  • Maraina
"Kanefa Ianao, TOMPO o, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be fitiavana amam-pahamarinana. Mba itodiho aho ka iantrao; omeo ahy mpanomponao ny herinao, ary vonjeo aho fa voatokana ho Anao". SALAMO 86:15-16 (DIEM) 


  • Antoandro
"Aza tsy manafay zanaka, fa tsy ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza. Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, dia ho voavonjinao tsy ho an'ny amin'ny fiainan-tsy hita ny fanahiny." Ohabolana 23:13-14 


  • Alina
"Ary hoy Izy taminy: Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Vaovao Mahafaly amin'ny voaary rehetra." Marka 16:15 (Katôlika) 

mercredi 16 mai 2012

SALAMO 103:11-13 (DIEM); Salamo 139:13-14 ; Salamo 46:11 (Katôlika)


  • Maraina

"Fa tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany no haben'ny fitiavany amin'izay manaja Azy; tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana no hampanalavirany amintsika ny hadisoantsika. Tahaka ny fangoraky ny ray an'ireo zanany no angorahan'ny TOMPO an'izay manaja Azy". SALAMO 103:11-13 (DIEM)



  • Antoandro

"Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany." Salamo 139:13-14 



  • Alina

"Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin'ny tany!" Salamo 46:11 (Katôlika) 



mardi 15 mai 2012

OHABOLANA 21:2 (DIEM) ; Levitikosy 19:15; Joany 14:18 (Katôlika)

  • Maraina
"Ny olona mihevitra ny ataony ho mahitsy avokoa; fa ny TOMPO no mitsara ny eritreritra manesika azy". OHABOLANA 21:2 (DIEM)

  • Antoandro
"Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana, aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe ; fahamarinana no hitsaranao ny namanao." Levitikosy 19:15

  • Alina
"Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankaty aminareo Aho."Joany 14:18 (Katôlika)

lundi 14 mai 2012

JOHANY 13:34-35 (DIEM); Matio 5:39; 1 Joany 4:8 (katôlika)

  • Maraina
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. Ny hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo. JOHANY 13:34-35 (DIEM)

  • Antoandro
"Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray." Matio 5:39

  • Alina
"Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana."1 Joany 4:8 (katôlika)

dimanche 13 mai 2012

MATIO 7:5 (DIEM); Lioka 14:26

  • Maraina
 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin'ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana. MATIO 7:5 (DIEM)

  • Antoandro
"Raha misy manatona Ahy ka tsy mihoatra ny itiavany ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany mbamin'ny mpiray tampo aminy ary dia ny ainy aza no itiavany Ahy, dia tsy afaka ho mpianatro izy." Lioka 14:26

vendredi 11 mai 2012

MATIO 9:37-38 (DIEM); 1 Tesaloniana 4:7-8 ; Matio 5:46a (Katôlika)

  • Maraina
"Be ny vokatra, fa ny mpiasa hamory no vitsy. Koa angataho ny Tompom-bokatra mba haniraka mpiasa hamory ny vokany." MATIO 9:37-38 (DIEM)

  • Antoandro
"Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina". 1 Tesaloniana 4:7-8

  • Alina
"Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no ho valisoa ho hazonareo?" Matio 5:46a (Katôlika)

jeudi 10 mai 2012

1 PETERA 1:15-16 (DIEM) ; Jaona 8:31-32 ; 1 Korintianina 16:22 (Katôlika)

  • Maraina
"Fa masina ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin'ny lafim-pitondrantena rehetra, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: AOKA HO MASINA IANAREO SATRIA MASINA AHO". 1 PETERA 1:15-16 (DIEM) 

  • Antoandro
"Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo". Jaona 8:31-32 

  • Alina
"Raha misy tsy tia ny Tompo dia aoka ho voahozona izy!"1 Korintianina 16:22 (Katôlika)

mercredi 9 mai 2012

TSEFANIA 2:1-2 (DIEM) ; Jaona 8:12 ; Ohab 3:7 (Katôlika)

  • Maraina
"Mandiniha ka mieritrereta, ry vahoaka lany henatra, dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa izay miely indray andro monja, dieny tsy mbola mahazo anareo ny afom-pahatezeran'ny TOMPO, ary dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro hirehetan'izany". TSEFANIA 2:1-2 (DIEM)

  • Antoandro
"Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina." Jaona 8:12

  • Alina
 "Aza manao anao hendry eo imasonao, fa matahora ny Tompo ary mialà amin'ny ratsy." Ohab 3:7 (Katôlika)