Ataovy reko ny famelanao, dia
hifaly sy hiravo indray aho; ary aoka hibitaka ny taolako izay efa
voamontsamontsanao. Hadinoy
tanteraka ny fahotako ary koseho avokoa ny heloka vitako. Amorony fo
madio aho, Andriamanitra o, fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko. Salamo 51:10-12 (DIEM)
Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy
isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va
Kristy? Sanatria izany! Galatiana 2:17
Tsy maintsy hiala amin'ny fitondrantenanareo
taloha ianareo, ka hamela ny olon-tranainy efa simban'ny fitaky ny
filàn-dratsy, mba havaozina ao amin'ny saina am-panahinareo ianareo. Efezianina 4:22-23 (Katôlika)