vendredi 25 novembre 2011

Jaona 15:18-19; Ohabolana 11:25; Isaia 55:6


  • Maraina
"Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo." Jaona 15:18-19

  • Antoandro
"Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa." Ohabolana 11:25

  • Alina
"Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy,Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy”. Isaia 55:6