vendredi 28 octobre 2011

Amosa 5:6, 14; 1 Samoela 2:3; Salamo 97:1

  • Maraina
"Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo". Amosa 5:6, 14

  • Antoandro
"Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa." 1 Samoela 2:3

  • Alina
"Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro." Salamo 97:1