- Maraina
"Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra;
fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho
an'ny olona rehetra; fa MPAMONJY NO TERAKA HO ANAREO anie ao an-tanànan'i
Davida, dia Kristy Tompo." Lioka 2:10-11
- Antoandro
"Koa tahaka ny nandraisanareo an'i
Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy
miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana
anareo, ka mazoto amin'ny fisaorana." Kolosiana 2: 6-7
- Alina
"Ahy hianao ry Betlehema,... Fa avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray
ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Israely oloko." Matio 2:6