samedi 1 octobre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina
"Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana." Salamo 37:5-6

  • Antoandro
"Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny. Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana." Romana 14: 22-23

  • Alina
"Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona." IKor 6:12