jeudi 8 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina :
"Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako". Jaona 10:27-28

  • Antoandro :
"Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy". Salamo 103:10-11

  • Alina :
“Fa izahay dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra ary ianareo no sahan'Andriamanitra. Trano aorin'Andriamanitra koa ianareo”. I Korintiana 3:9 (Version DIEM)