Ho fafazako rano madio ianareo,
dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny
fanompoan-tsampinareo
rehetra ianareo. Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko
ao anatinareo. Ho esoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vatoka
hosoloiko fo mora anarina. Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao
anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalanako ianareo, ary hitandrina sy
hanatanteraka ny fitsipiko. Ezekiela 36:25-27 (DIEM)
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona
aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny
toetray anatiny. 2 Korintiana 4:16
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny
fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany. Joany 3:20 (Katôlika)