- Maraina
"Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy
miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana, mitahiry famindram-po
ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana,
kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka
sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika." Eksodosy 34:6-7
- Antoandro
"Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao
ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny
didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay
nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao." Eksodosy
15:26
- Alina
"Aoka
ny fampianaranao ho madio sy maotina: teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina
ampiasaina." Tito 2:7b-8a DIEM