Fony mbola zaza aho, dia niteny toy
ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; rehefa tonga
olondehibe aho, dia nariako avokoa ny fanaon-jaza. 1 Korintianina 13:11 (DIEM)
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra
ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny
fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay
mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. Hebreo 4:12
Lehibe tokoa manko ny famindram-pon'ilay Andriamanintsika
fa Masoandro avy any ambony no hamangy antsika, mba hanilo izay rehetra
mitoetra ao amin'ny maizina sy aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny
diantsika ho amin'ny lalam-piadanana. Lioka 1:78-79 (Katolika)