samedi 12 novembre 2011

Salamo 16:7-9; Salamo 56:3-4; Salamo 145:19


  • Maraina
"Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy." Salamo 16:7-9

  • Antoandro
"Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao. Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?" Salamo 56:3-4

  • Alina
"Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy." Salamo 145:19