- Maraina
"Manalavira
izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa
tsy hanamarina ny meloka Aho. Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly
mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina." Eksodosy
23:7-8
- Antoandro
"Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro
soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny
fitaka; Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady
fihavanana sy hanaraka azy." 1 Petera 3:10-11
- Alina
"Ka
atongilano amin'ny fahendrena ny sofinao." Ohabolana 2:2a