- Maraina
"Izay
manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no
ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy." Jaona 14:21
- Antoandro
"Hianareo
no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo
intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa
nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako
taminareo." Jaona 15:14-15
- Alina
"Fa
izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo
ô, no nataoko aroko, Mba hilaza ny asanao rehetra aho." Salamo 73:28