- Maraina
'’Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina. Asandrato ny
masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny
isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany
sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza." Isaia
40:25-26
- Antoandro
"Aza
matahotra na mangovitra hianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin'ny fahiny
va Aho ka nanambara taminareo? Eny, hianareo no vavolombeloko; Misy
Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako
izany." Isaia 44:8
- Alina
"Izay maro
sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia , izay mifikitra noho ny
rahalahy aza." Ohabolana 18:24