mercredi 6 juin 2012

JOHANY 8:43-44 (DIEM) ; Galatiana 4:7; Rômanina 12:17a (Katôlika)

  • Maraina
Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filandratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga. JOHANY 8:43-44 (DIEM)

  • Antoandro
Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. Galatiana 4:7

  • Alina
"Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza." Rômanina 12:17a (Katôlika)