mercredi 14 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina :
"Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?" . 1 Jaona 4:19-20

  • Antoandro :
"Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao dia tsy mpankato ny lalàna, fa mpitsara. Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza mo hianao, no mitsara ny namanao?". Jakoba 4: 11-12

  • Alina :
"Manàna fitondrantena feno fahendrena eo anoloan'izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo hanaovan-tsoa". Kolosianina 4 :5 (Version DIEM)