TSEFANIA 2:1-2 (DIEM) ; Jaona 8:12 ; Ohab 3:7 (Katôlika)
"Mandiniha ka mieritrereta, ry vahoaka lany henatra,
dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa izay miely indray andro
monja, dieny tsy mbola mahazo anareo ny afom-pahatezeran'ny TOMPO, ary
dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro hirehetan'izany". TSEFANIA 2:1-2 (DIEM)
"Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho
no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha
amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina." Jaona 8:12
"Aza manao anao hendry eo imasonao, fa matahora ny Tompo ary mialà amin'ny ratsy." Ohab 3:7 (Katôlika)