vendredi 18 mai 2012

SALAMO 86:15-16 (DIEM) ; Ohabolana 23:13-14 ; Marka 16:15 (Katôlika)


  • Maraina
"Kanefa Ianao, TOMPO o, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be fitiavana amam-pahamarinana. Mba itodiho aho ka iantrao; omeo ahy mpanomponao ny herinao, ary vonjeo aho fa voatokana ho Anao". SALAMO 86:15-16 (DIEM) 


  • Antoandro
"Aza tsy manafay zanaka, fa tsy ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza. Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, dia ho voavonjinao tsy ho an'ny amin'ny fiainan-tsy hita ny fanahiny." Ohabolana 23:13-14 


  • Alina
"Ary hoy Izy taminy: Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Vaovao Mahafaly amin'ny voaary rehetra." Marka 16:15 (Katôlika)