jeudi 10 mai 2012

1 PETERA 1:15-16 (DIEM) ; Jaona 8:31-32 ; 1 Korintianina 16:22 (Katôlika)

  • Maraina
"Fa masina ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin'ny lafim-pitondrantena rehetra, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: AOKA HO MASINA IANAREO SATRIA MASINA AHO". 1 PETERA 1:15-16 (DIEM) 

  • Antoandro
"Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo". Jaona 8:31-32 

  • Alina
"Raha misy tsy tia ny Tompo dia aoka ho voahozona izy!"1 Korintianina 16:22 (Katôlika)