- Maraina :
"Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay
mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo
izany, fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba
hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa". 1 Petera 4:12-13
- Antoandro :
"Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah,
Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po
sy fahamarinana, mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela
heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa
mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny
zafindohalika". Eksodosy 34:6-7
- Alina :
"Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny
toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana
ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa". ITimoty 4:8