Na inona na inona
ataonareo, dia tontosao amin'ny fo tokoa tahaka ny atao amin'i Jesoa
Tompo fa tsy amin'olona. Eny, fantatrareo fa i Jesoa Tompo no
handraisanareo ny valiny, dia ny anjara lova natokana ho an'ny
vahoakan'Andriamanitra; satria ny tena Tompo Izay tompoinareo, dia i Kristy. Kolosianina 3:23-24 (DIEM)
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony... Tsara ny mialoka amin'i Jehovah noho ny mialoka amin'ny olona. Salamo 118: 1,8
Sitrako ny midera Anao amin'ny foko manontolo. Salamo 138:1a (Katôlika)