jeudi 7 juin 2012

1 TANTARA 28:9 (DIEM) ; 2 Samoela 24:10 ; Siràka 18:23 (Katôlika)

  • Maraina
Fantaro ilay Andriamanitra notompoin'ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo manontolo sy amin'ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon'ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. RAHA MITADY AZY IANAO, DIA HAHITA AZY; FA RAHA MANDAO AZY KOSA IANAO, DIA HARIANY MANDRAKIZAY. 1 TANTARA 28:9 (DIEM) 

  •  Antoandro
 "Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho". 2 Samoela 24:10
  
  • Alina
"Miomana ianao, alohan'ny hanaovanao voady, fa aza manao toy ny olona maka fanahy ny Tompo." Siràka 18:23 (Katôlika)