vendredi 30 novembre 2012

  • Maraina
Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; satria tsy mba mety alaim-panahy hanao ratsy Andriamanitra sady tsy mba maka fanahy olona. Fa samy alaim-panahy ny olona, rehefa mitaona azy sy mitady hamandrika azy ny filandratsiny. Jakoba 1:13-14 (DIEM)

  • Atoandro 
Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Matio 16:24 

  • Alina
Eny, harem-be tokoa ny fitiavam-bavaka­, ho an'ny olona mahay mianina amin'izay ananany. 1 Timôte 6:6 (Katôlika)

jeudi 29 novembre 2012

  • Maraina
Arovy tsy ho voan'ny ota iniana aho, ka aza avela hanan-kery amiko ireny; dia tsy hanan-tsiny tokoa aho sady ho afaka amin'ny heloka bevava. Salamo 19:14 (DIEM) 

  • Alina
Izay tia vola, tsy mety vokim-bola; ary izay tia harena, tsy hahazo vokatry ny tany. Zava-poana koa izany. Amin'ny toerana be harena, dia maro ny mpihinana azy ary inona moa no soa azon'ny tompony amin'izany, afa-tsy ny mahita maso izany hareny izany? Kôhelety 5:9-10 (Katôlika)
 

mercredi 28 novembre 2012

  • Maraina
 Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa; iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra. Efesianina 4:5-6 (DIEM)

  • Atoandro
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahit­ra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. 2 Timoty 2:3-5

  • Alina
Ary hoy Izy tamin'ny olona: tandremo tsara sao ho azon'ny fitiavan-karena­ ianareo, fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'izay­ ananany. Lioka 12:15 (Katôlika)

mardi 27 novembre 2012

  • Maraina
Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo. Lioka 3:14 (DIEM) 

  • Atoandro
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Lioka 9:62

  • Alina
Fa Izaho Tompo Andriamanitrareo, dia Andriamanitra fatra-pitandro hasina, ka mamaly ny ny heloky ny ray amin'ny zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, amin'izay mankahala Ahy; fa mamindra fo amin'ny taranaka arivo mifandimby kosa, amin'izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko. Deôterônômy 5:9b-10 (Katôlika)

lundi 26 novembre 2012

  • Maraina
 Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. Efesianina 2:8-9 (DIEM)

  • Atoandro
Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina. 1 Tesaloniana 4:7-8

  • Alina
Fa izay tian'ny Tompo no faiziny, toy ny ataon'ny ray amin'ny zanaka malalany. Ohabolana 3:12 (Katôlika)

vendredi 23 novembre 2012

  • Maraina
Aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 1 Petera 3:8 (DIEM)

  • Atoandro
Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. Lioka 6:27-28

  • Alina
Ry Tompo o, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny anaranao, satria Ianao efa nahavita zava-mahagaga izay efa voakasanao hatry ny elabe ka sady azo itokiana no mafy orina. Izaia 25:1 (Katolika)

mardi 20 novembre 2012

  • Maraina
Fa ny olona ratsy fanahy dia vao mainka hiharatsy hatrany. Ianao kosa, mahareta tsara amin'izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany. 2 Timoty 3:13-14 (DIEM)

  • Atoandro
Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. Matio 5:3

  •  Alina
Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana ny Tompo, ary tandremo ny asanareo; fa ao amin'ny Tompo Andriamanintsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan'olona na fandraisana kolikoly. 2Tantara 19:7 (Katolika)

lundi 19 novembre 2012

  • Maraina
Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran'izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain'Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena. Jakoba 1:12 (DIEM)

  • Atoandro 
Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. Efesiana 3:20-21 

  • Alina
Koa aza matahotra olona ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Matio 10:26 (Katolika)

vendredi 16 novembre 2012

  • Maraina
Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan'ny herinareo. Rehefa ianjadian'ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo. 1 Korintianina 10:13 (DIEM)

  • Atoandro
Ka dia maneke an'Andriamanitra ianareo, ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Jakoba 4:7

  • Alina
Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao; ary aza miravoravo fo amin'ny faharavàny, fandrao hitan'ny Tompo izany, ka ratsy eo imasony. Ohabolana 24:17-18a (Katôlika)

mercredi 14 novembre 2012

  • Maraina
Ny Tompo no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona no ho azon'olona atao amiko? Hebreo 13:6 (DIEM)

  • Atoandro
Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy; Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako. Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. Joba 23:8-10 

  • Alina
Izaho kosa hifantoka amin'ny Tompo, hanantena an'Andriamanitra mpamonjy ahy; hihaino vavaka ahy ilay Andriamanitro. Mikea 7:7 (Katolika)

mardi 13 novembre 2012

  • Maraina
Raha i Mosesy sy ny mpaminany tsy henoiny, dia tsy hiaiky izy na misy olona mitsangana velona avy any amin'ny maty aza. Lioka 16:31 (DIEM)

  • Atoandro
Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa. Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany. Salamo 33:4-5

  • Alina
Hitombo ao aminareo hatrany hatrany anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana! Jodà 1:2 (Katôlika)

lundi 12 novembre 2012

  • Maraina
Aoka hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin'ny voaloboka hatrany; dia toy izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. Johany 15:4 (DIEM) 

  • Atoandro
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. Filipiana 4:8

  • Alina
Ianao mino fa misy Andriamanitra iray, tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra. Jakôba 2:19 (Katôlika)

samedi 10 novembre 2012

  • Maraina
Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen'ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany taty aoriana izay tsy nino. Toy izany koa ny mponina tao Sodoma sy Gomora mbamin'ireo tanana manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin'ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.
Joda 1:5-7 (DIEM)

  • Atoandro
Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana. Ohabolana 19:11

  • Alina
Satria tsy fanahy kanosa no nomen'Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. 2Timote 1:7 (Katôlika)

vendredi 9 novembre 2012

  • Maraina
Halaviro daholo ny zava-dratsy isan-karazany. 1 Tesalonianina 5:22 (DIEM)

  • Atoandro
Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. Romana 12:12

  • Alina
Fa toy izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa natsangako ho fahazavan'ny hafa firenena ianao, mba hitondra famonjena hatramin'ny faravazan-tany. Asa 13:47 (Katolika)

jeudi 8 novembre 2012

  • Maraina
Tsy misy madio na inona na inona amin'ny olona voaloto sady tsy mino, satria samy efa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany. Miaiky izy fa mahalala an'Andriamanitra, nefa manda Azy amin'ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona. Tito 1:15-16 (DIEM) 

  • Atoandro
Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny mrina no henoiny. Ohabolana 15:29

  • Alina
 Fa izao ihany e: manaova fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly. Filipianina 1:27a (Katolika)

mercredi 7 novembre 2012

  • Maraina
Mpampianatra o, inona no didy lehibe indrindra ao amin'ny lalana? Dia hoy i Jesoa taminy: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, ary amin'ny sainao manontolo. Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany, dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Matio 22:36-40 (DIEM)

  • Atoandro
Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha. Apokalypsy 1:8

  • Alina
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Matio 10:7 (Katôlika)

mardi 6 novembre 2012

  • Maraina
 An'ny malalako aho ary ahy ny malalako. Tononkiran'i Solomona 6:3 (DIEM)

  • Atoandro
Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro.n 1 Petera 5:6

  • Alina
Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina. Matio 22:14 (Katôlika)