Aoka hiray amiko hatrany ianareo toy ny
iraisako aminareo. Ny sampana tsy afa-mamokatra ho azy raha tsy miray
amin'ny voaloboka hatrany; dia toy izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra,
raha tsy miray amiko hatrany. Johany 15:4 (DIEM)
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina,
na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na
inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. Filipiana 4:8
Ianao mino fa misy Andriamanitra iray, tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra. Jakôba 2:19 (Katôlika)