Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo. Lioka 3:14 (DIEM)
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Lioka 9:62
Fa Izaho Tompo Andriamanitrareo,
dia Andriamanitra fatra-pitandro hasina, ka mamaly ny ny heloky ny ray
amin'ny zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, amin'izay
mankahala Ahy; fa mamindra fo amin'ny taranaka arivo mifandimby kosa,
amin'izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko. Deôterônômy 5:9b-10 (Katôlika)