Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina
anareo ireto: rehefa novonjen'ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta
ny vahokany, dia naringany ihany taty aoriana izay tsy nino. Toy izany
koa ny mponina tao Sodoma sy Gomora mbamin'ireo tanana manodidina: nanao
fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin'ny zavatra tsy
tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no
sazy mihatra aminy. Joda 1:5-7 (DIEM)
Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana. Ohabolana 19:11
Satria tsy fanahy kanosa no nomen'Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. 2Timote 1:7 (Katôlika)