Arovy tsy ho voan'ny ota iniana aho, ka aza
avela hanan-kery amiko ireny; dia tsy hanan-tsiny tokoa aho sady ho
afaka amin'ny heloka bevava. Salamo 19:14 (DIEM)
Izay tia vola, tsy mety vokim-bola;
ary izay tia harena, tsy hahazo vokatry ny tany. Zava-poana koa izany.
Amin'ny toerana be harena, dia maro ny mpihinana azy ary inona moa no
soa azon'ny tompony amin'izany, afa-tsy ny mahita maso izany hareny
izany? Kôhelety 5:9-10 (Katôlika)