vendredi 31 août 2012

  • Maraina
Hitanondrika ny olona mpiandranandrana, ary hihohoka ny olona mpanandra-tena; fa amin'izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra. Isaia 2:11 (DIEM)

  • Antoandro
Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny. Ohabolana 22:9

  • Alina
Fa izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena. Rômanina 10:13 (Katôlika)

jeudi 30 août 2012

  • Maraina
Atsaharo ny fitokiana amin'olombelona fa fofonaina miserana ihany izy ka tsy misy lanjany akory! Isaia 2:22 (DIEM)

  • Antoandro
Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Matio 11:29

  • Alina
Ny atao hoe mpaniratsira dia izay be rehaka sy feno avona; ka mirehaka mihoa-pampana izy amin'ny ataony. Ohabolana 21:24 (Katôlika)

mercredi 29 août 2012

  • Maraina
Na dia ny ranomasimbe aza tsy mahafaty ny afon'ny fitiavana; ary ny ranoben'ireo ony tsy mahasarona azy ho rendrika. Tononkiran'i Salomona 8:7a (DIEM)

  • Alina
Aoka ho fantatrareo àry, ry mpiray firenena amiko, fa amin'ny alalan'i Jesoa ihany no itoriana famelan-keloka aminareo. Asa 13:38a (Katôlika)

mardi 28 août 2012

  • Maraina
Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, fahalemem-panahy, fahononam-po. Galatianina 5:22-23 (DIEM)

  • Antoandro
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao. Isaia 60 :1

  • Alina 
Mandra-pihaviko, milozoha amin'ny famakiana ny Soratra Masina sy fananarana ary fampianarana.1 Timote 4:13 (Katôlika)

lundi 27 août 2012

  • Maraina
Tao an-katerena aho no velon-taraina sy niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamanitro, ka tany an-Tempoliny Izy no nandre ny feoko ary koa nihaino izany antsoantsoko.  II SAMOELA 22 :7 (DIEM) 
  
  • Alina

Aza tezitra noho ny amin'ny mpanao ratsy, na mitsiriritra ny ny toetr'izay mpanao heloka. Salamo 37:1 (Katôlika)

vendredi 24 août 2012

  • Maraina
Fantatry ny Tompo na dia izay miseho any amin'ny toeran'ny maty aza; koa mainka fa ny ao am-pon'ny olona. Ohabolana 15:11 (DIEM)

  • Antoandro
Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
Ohabolana samy hafa ny amin’ny tsi-fitovian’ny fahendrena sy ny fahadalana, ary ny amin’ny fanaovan-tsoa sy ny fahazotoana ary ny fahamarinana. Ny tenin’ny hendry izay re amin’ny mangingina dia mahery noho ny fitreron’izay mpanapaka adala. Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be. Mpitoriteny 9:16-18

  • Alina
Raha soa faniry amin'ity fiainana ity ny harena, inona no harem-be mihoatra noho ny Fahendrena izay mahavita ny zavatra rehetra? Fahendrena 8:5 (KATOLIKA)

jeudi 23 août 2012

  • Maraina
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana. 1 Jaona 4:18

  • Antoandro
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana. 1 Jaona 4:18

  •  Alina
Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. Lioka 21:6 (Katôlika)

mercredi 22 août 2012

  • Maraina
Tamin'ny voalohany, fony nahary an'izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin'Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra. Johany 1:1 (DIEM)

  • Antoandro
Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. 1 Korintiana 5:1 

  • Alina
Tompo ô, ataovy firenena miadam-pinaritra izahay. Salamo 126:4a (Katôlika)

mardi 21 août 2012

  • Maraina
 Itafio avokoa ny fiadiana omen'Andriamanitra, mba hahazoanareo hamahatra tsara eo anatrehan'ireo tetika afitsoky ny devoly: "ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra; ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo; tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipika mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy; raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina". Efesianina 6:11-17 (DIEM)
 
  • Antoandro
Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. Marka 5:36 b 

  • Alina
Fa tokana Andriamanitra, tokana koa ny Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona. 1 Timote 2:5 (Katôlika)
 

lundi 20 août 2012

  • Maraina
Loza! firenena mpanota ianao; vahoaka mivesatra heloka ianareo, solofon'ny mpanao ratsy, taranaka lomorina! Nilaozanareo ny TOMPO, nataonareo tsinontsinona ilay Masin'i Israely, fa niamboho Azy ianareo. Aiza indray ary no tianareo hikapohana anareo no mbola mikiry amin'ny ditranareo ihany ianareo? Efa feno ratra avokoa ny loha, ary marary ny fo manontolo. Isaia 1:4-5 (DIEM)

  • Antoandro
Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Efesiana 6:24

  • Alina
Satria rahefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hanalana ota intsony; fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran'ny afo handevona ny mpikomy no sisa.Hebrio 10:26-27 (Katôlika)

vendredi 17 août 2012

  • Maraina
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo. Lioka 16:13 

  • Antoandro 
Efa madio ianareo izao noho ny fampianarana nataoko taminareo. Mitomoera ato amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.Joany 15:3-4a (Katôlika)

  • Alina
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin'ny ratsy isan-karazany. 1 Johany 1:9 (DIEM)

jeudi 16 août 2012

  • Maraina
Jereo ange ny voro-manidina: tsy mamafy na mijinja na manangona an-tsompitra manko izy ireny, kanefa fahanan'ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy sarobidy lavitra noho ireny ve ianareo? Matio 6:26 (DIEM)

  • Antoandro
 Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo. Amosa 5: 4

  • Alina
Ary lazaiko aminareo, fa amin'ny andro fitsarana, dia hampamoahina ny olona amin'izay teny foana rehetra nolazainy. Matio 12:36 (Katôlika)

mardi 14 août 2012

  • Maraina
Ampy ho anao ny fahasoavako. 2 Korintianina 12:9 (DIEM)


  • Antoandro
Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindramponao,
Jehovah ô, no nanohana ahy. Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. Salamo 94 :18-19

  • Alina
Voazaha toetra tamin'ny afo avokoa ny tenin'Andriaman
itra; apinga ho an'izay mialoka aminy izy. Ohabolana 30:5 (Katôlika)

samedi 11 août 2012

  • Maraina
 Omeo tokoa izy ary aoka tsy halahelo ny fonareo raha manome azy, satria IZANY FAHALALAHAN-TANANAREO IZANY NO HITAHIAN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAREO ANAREO AMIN'NY ASA AMAN-DRAHARAHA REHETRA ATAONAREO. Koa satria hisy mandrakariva ny mahantra eo amin'ny taninareo, dia izany no andidiako anareo hoe: SOKAFY TSARA AMIN'NY MPIRAY FIRENENA AMINAREO NY TANANAREO, DIA AMIN'NY ORY SY MAHANTRA EO AMIN'NY TANINAREO. Deoteronomy 15:10-11 (DIEM)

  • Antoandro
Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. Galatiana 6:9 

  • Alina
Aza milaza hoe: Izay nataony tamiko no hataoko aminy; hovaliako araka ny nafitsony avy ny isam-batan'olona. Ohabolana 24:29 (Katôlika)

vendredi 10 août 2012

  • Maraina
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy! Matio 7:11 (DIEM)

  • Antoandro 
Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’ i Kristy.  Galatiana 6:2

  • Alina
 Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an'izay manao ratsy, dia ho an'ny Jiosy aloha, vao ho an'ny hafa firenena koa. Rômanina 2:9 (Katôlika)

jeudi 9 août 2012

  • Maraina
 Manana ondry hafa izay tsy avy amin'ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin'ny mpiandry tokana.  Johany 10:16 (DIEM)

  • Antoandro
Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ ny aretinao. Marka 5 :34 

  • Alina
 Koa fantaro ary fa sady mora fo Andriamanitra no sarotiny koa. Romanina 11:22 (Katôlika)

mercredi 8 août 2012

  • Maraina
 "Eny, mamy toy ny tantely avy amin'ny tohotra ny firesaky ny vehivavy ratsy fitondrantena; ary malama noho ny menaka aza ny fiteniny. Nefa ny farany mafaitra toy ny hazo mangidy ary mandratra hoatra ny sabatra roa lela. Fa midina ho amin'ny fahafatesana ny fizotran'izany vehivavy izany; ary miafara any amin'ny toeran'ny maty ny diany" Ohabolana 5:3-5 (DIEM)

  • Antoandro
 "Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko." 2 Korintiana 12:9

  • Alina
"Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao, Ho tonga anie ny fanjakanao." Lioka 11:2b (Katôlika)

mardi 7 août 2012

  • Maraina
 Sambatra izay olona nahita ny fahendrena sy izay olona nahazo ny fahaiza-manavak
a. Fa ny fananana azy dia tsara noho ny fananana volafotsy ary ny tombontsoany dia mihoatra noho ny volamena. Sarobidy noho ny voahangy ny fahendrena; ary izay rehetra azo irina dia tsy misy mitovy aminy". Ohabolana 3:13-15 (DIEM)
  • Antoandro
Ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ ny fahandevozany; fa ANDRIAMANITRY NY FAMELAN-KELOKA HIANAO ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo, ka dia tsy nahafoy azy. Nehemia 9 :17

  • Alina
Hain'Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin'ny asa soa isan-karazany. 2Kôrintianina 9:8 (Katôlika)

lundi 6 août 2012

  • Maraina
Ataovy reko ny famelanao, dia hifaly sy hiravo indray aho; ary aoka hibitaka ny taolako izay efa voamontsamontsanao. Hadinoy tanteraka ny fahotako ary koseho avokoa ny heloka vitako. Amorony fo madio aho, Andriamanitra o, fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko. Salamo 51:10-12 (DIEM) 

  • Antoandro
 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany! Galatiana 2:17

  • Alina
 Tsy maintsy hiala amin'ny fitondrantenanareo taloha ianareo, ka hamela ny olon-tranainy efa simban'ny fitaky ny filàn-dratsy, mba havaozina ao amin'ny saina am-panahinareo ianareo. Efezianina 4:22-23 (Katôlika)

vendredi 3 août 2012

  • Maraina
 "Tsy mba hazo tsara no hamoa voa ratsy, na hazo ratsy indray no hamoa voa tsara. Eny, ny voany no ahafantarana ny hazo isan-karazany; fa foto-tsilo tsy ahazoana voanaviavy, ary foto-droy tsy iotazana voaloboka. Koa ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. Fa izay mameno ny fon'ny olona no aloaky ny vavany". Lioka 6:43-45 (DIEM)

  • Antoandro
 “Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo” Romana 12:11

  • Alina
"Aleloia! Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, izay mankamamy fatratra amin'ny didiny." Salamo 112:1 (Katôlika)

jeudi 2 août 2012

  • Maraina
 "Momba izay rehetra mitady Azy ny fiarovan'Andriamanitray, fa ny fahatezerany kosa hamely mafy izay rehetra mahafoy Azy". Hezra 8:22 (DIEM)

  • Antoandro
"Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!" Salamo 119:103 

  • Alina
"Ary rahefa mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny mpanompo sampy, fa atao ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy." Matio 6:7 (Katôlika)

mercredi 1 août 2012

  • Maraina
 "Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin'Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran'izao tontolo izao". 1 Johany 4:1 (DIEM)

  • Antoandro
 "Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo". Kolosiana 3:23-24 

  • Alina
 "Indro very kosa izay manalavitra Anao; aringanao avokoa izay mivadika aminao." Salamo 73:27 (Katôlika)