"Eny, mamy toy ny tantely avy amin'ny tohotra ny
firesaky ny vehivavy ratsy fitondrantena; ary malama noho ny menaka aza
ny fiteniny. Nefa ny farany mafaitra toy ny hazo mangidy ary mandratra
hoatra ny sabatra roa lela. Fa midina ho amin'ny fahafatesana ny
fizotran'izany vehivavy izany; ary miafara any amin'ny toeran'ny maty ny
diany" Ohabolana 5:3-5 (DIEM)
"Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia
tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny
fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko." 2 Korintiana 12:9
"Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao, Ho tonga anie ny fanjakanao." Lioka 11:2b (Katôlika)