mardi 30 octobre 2012

  • Maraina
Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy Tompotsika sy Mpamonjy antsika. 2 Petera 3:18 (DIEM) 

  • Alina
Hankalazaina anie ny Anaran'Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay fa Azy ny fahendrena sy ny hery. Daniela 2:20 (Katôlika)

lundi 29 octobre 2012

  • Maraina
Ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompo. Jeremia 23:29 (DIEM)

  • Atoandro
Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay. Isaia 26:4

  • Alina
Mandehana, hoy i Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana. Marka 10:52 (Katolika)

vendredi 26 octobre 2012

  • Maraina
Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon'ny fihazakazahana, voatanako ny finoana. 2 Timoty 4:7 (DIEM) 

  • Atoandro
Fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery. 1 Korintiana 1:27

  • Alina
Izy manko no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra; Izy no mampahafantatra amin'ny olombelona ireo fikasàny, Izy no mahatonga ny maraina ho haizina, sady mandia ny faratampon'ny tany. Ny Tompo Andriamanitry ny tontolo no anarany. Amosa 4:13 (Katolika)

jeudi 25 octobre 2012

Maraina
Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. Efesianina 4:3 (DIEM) 

Atoandro
Manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. Romana 8:37

Alina
Afikiro amin'ny fampanantenànao ny diako, ary aza avela hisy haratsiana hanjaka ato amiko. Salamo 119:133 (Katolika)

mardi 23 octobre 2012

  • Maraina
Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an'izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an'izao tontolo izao. Johany 12:47 (DIEM)

  • Atoandro
Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. Matio 7:7

  • Alina
Koa aza matahotra olona ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Matio 10:26 (Katolika)

lundi 22 octobre 2012

  • Maraina
Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin'izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy itoerako ao amin'ny fitiavana Ahy. Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo. Johany 15:10-11 (DIEM) 

  • Atoandro
Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 1 Timoty 4:8

  • Alina
Koa ihavano sy ifankazaro Andriamanitra, fa izany no hiverenan'ny hasambarana aminao. Joba 22:21 (Katolika)

vendredi 19 octobre 2012

  • Maraina
Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; rehefa tonga olondehibe aho, dia nariako avokoa ny fanaon-jaza. 1 Korintianina 13:11 (DIEM) 

  • Atoandro
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. Hebreo 4:12

  • Alina
Lehibe tokoa manko ny famindram-pon'ilay Andriamanintsika fa Masoandro avy any ambony no hamangy antsika, mba hanilo izay rehetra mitoetra ao amin'ny maizina sy aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana. Lioka 1:78-79 (Katolika)

jeudi 18 octobre 2012

  • Maraina
Matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika; eny, na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, na zavaboaary inona, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika. Romanina 8:38-39 (DIEM)

  • Atoandro
Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. Ohabolana 3:7-8

  • Alina
Ilay Tompo Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; ny didiny no tandremo, ny feony no ekeo; Izy no tompoy ary Izy no ifikiro. Deoteronony 13:5 (Katolika)

mercredi 17 octobre 2012

  • Maraina
TOMPO o, todiho aho ka iantrao fa irery sady fadiranovana. Toneo ny tebitebin'ny foko ary tsoahy avy ato an-katerena aho. Jereo ny fahoriako sy ny fijaliako, ka avelao ny fahotako rehetra. Salamo 25:16-18 (DIEM) 

  • Atoandro
Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. Filipiana 2:4

  • Alina
Ary ankehitriny, inona no andrasanao? Mitsangàna raiso ny batemy, ary midiova ho afa-pahotana, amin'ny fiantsoana ny Anaran'i Jesoa. Asan'ny Apostoly 22:16 (Katolika)

lundi 15 octobre 2012

  • Maraina
Tsy ho hadinoiko mandrakizay ny fepetranao izay namelomanao ny aiko. Salamo 119 :93 (DIEM)

  • Atoandro
Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany. 1 Korintiana 1:31

  • Alina
Dia hoy indray i Jesoa taminy: Sarotra, anaka, ny hidiran'izay miankina amin'ny harena amin'ny fanjakàn'Andriamanitra. Marka 10:24b (Katolika)

vendredi 12 octobre 2012

  • Maraina
Fitiavana mandrakizay no itiavako anao ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy. Jeremia 31:3 (DIEM)

  • Atoandro
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany. Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah. 1 Tantara 16:8, 10 

  • Alina
Ary raha tsy mahatoky amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Lioka 16:12 (Katôlika)

jeudi 11 octobre 2012

  • Maraina
Ho fafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Ho esoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vatoka hosoloiko fo mora anarina. Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalanako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. Ezekiela 36:25-27 (DIEM)

  • Atoandro
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny. 2 Korintiana 4:16

  • Alina
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany. Joany 3:20 (Katôlika)

mercredi 10 octobre 2012

  • Maraina
Maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. Romanina 5:6 (DIEM) 

  • Atoandro
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ? 2 Korintiana 13:5

  • Alina
Tompo ô, andraso amin'ny tehinao ny vahoakanao dia ilay andianondry fanananao.
Mikea 7:14a (Katôlika)

mardi 9 octobre 2012

  • Maraina
Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy. Genesisy 1:27 (DIEM)

  • Atoandro
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. Isaia 40:28-29

  • Alina
Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho anao. Jôba 42:2 (Katôlika)

vendredi 5 octobre 2012

  • Maraina
Hoy i Itsehaka tamin'i Abrahama rainy: -Dada o! Ka novaliany hoe: -Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehaka hoe: -Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo? Genesisy 22:7 (DIEM)

  • Atoandro
Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany. 1 Timoty 1:15

  • Alina
Enga anie ny fitiavanareo hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin'ny fahaizana amam-pahalalana rehetra. Filipianina 1:9 (Katôlika)

mercredi 3 octobre 2012

  • Maraina
Fantaro tsara izao: tsy hanana anjara lova amin'ny Fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga na ny maloto fitondrantena na ny mpitia harena (fa mpanompo sampy ny mpitia harena). Efesianina 5:5 (DIEM)

  • Atoandro
Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra. 1 Jaona 4:15

  • Alina
Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak'andro hiavian'ny Tomponareo. Matio 24:42 (Katôlika)

mardi 2 octobre 2012

  • Maraina
Ary ankehitriny ianareo dia ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny teniny mirakitra fahasoavana. Andriamanitra no hampahery anareo sy hanome anareo ny soa izay nataony ho anjaran'ireo rehetra voatokana ho Azy. Asan'ny Apostoly 20:32 (DIEM)

  • Atoandro
Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao. Titosy 2:11-12

  • Alina
Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona. Marka 13:31 (Katôlika)

lundi 1 octobre 2012

  • Maraina
Ny ranonorana sy oram-panala milatsaka avy any an-danitra dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina; dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako: tsy hiveri-maina foana aty amiko izy, raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy. Isaia 55:10-11 (DIEM)

  • Atoandro
Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. Joda 1:20-21 

  • Alina
Ry mpiray tampo ara-pinoana, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny heriny tsy hay tohaina. Efezianina 6:10 (Katôlika)