Matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra
antsika; eny, na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo
fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na
zavatra ho avy, na zavaboaary inona, dia tsy hisy hahasaraka antsika
amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika. Romanina 8:38-39 (DIEM)
Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. Ohabolana 3:7-8
Ilay Tompo Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; ny didiny no tandremo, ny feony no ekeo; Izy no tompoy ary Izy no ifikiro. Deoteronony 13:5 (Katolika)