Hoy i Itsehaka tamin'i Abrahama rainy: -Dada
o! Ka novaliany hoe: -Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehaka hoe:
-Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak'ondry hatao sorona
dorana manontolo? Genesisy 22:7 (DIEM)
Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana
rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy
ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany. 1 Timoty 1:15
Enga anie ny fitiavanareo hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin'ny fahaizana amam-pahalalana rehetra. Filipianina 1:9 (Katôlika)