Ary ankehitriny ianareo dia ankiniko amin'Andriamanitra
sy amin'ny teniny mirakitra fahasoavana. Andriamanitra no hampahery
anareo sy hanome anareo ny soa izay nataony ho anjaran'ireo rehetra
voatokana ho Azy. Asan'ny Apostoly 20:32 (DIEM)
Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao. Titosy 2:11-12
Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona. Marka 13:31 (Katôlika)