samedi 29 septembre 2012

  • Maraina 
Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. Jakoba 3:17 (DIEM)

  • Atoandro
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 3 Jaona 1:2 

  • Alina
Ary raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama tahaka azy, ka mpandova araka ny fampanantenana. Galatianina 3:29 (Katôlika)

vendredi 28 septembre 2012

  • Alina
Vao tonga ireo teninao, dia nohaniko; ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko, satria efa natokana ho Anao aho, ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao. Jeremia 15:16 (DIEM)

  • Atoandro
Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Hebreo 10:24

  • Alina
Tsy misy mahay manavotra ny rahalahiny akory, na mahaloa ny avony amin'Andriamanitra. Salamo 49:8 (Katôlika)

jeudi 27 septembre 2012

  • Maraina
Ny fahoriana mahatonga faharetana; ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika. Romanina 5:3-5 (DIEM)

  • Alina
Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala. Matio 10:16 (Katôlika)

mercredi 26 septembre 2012

  • Maraina
Ary nanatona an'i Jesoa ity lehilahy marary hoditra ka nitalaho taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha sitrakao, dia hainao diovina aho. Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: Sitrako, madiova ianao. Marka 1:40:41 (DIEM) 

  • Atoandro
 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy. Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina. Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony. Salamo 112:5-7

 
 

mardi 25 septembre 2012

  • Maraina
Raha heloka no mamiko ka tsy nifonako, dia tsy ho nihaino ahy akory ny Tompo. Salamo 66:18 (DIEM)

  • Antoandro
Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ ny olona no hojinjany. Galatiana 6 :7b

  • Alina
Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny harena ianareo. Lioka 16:13b (Katôlika)

lundi 24 septembre 2012

  • Maraina
Nateraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety lo, fa tamin'ny voa tsy mety lo: dia ny tenin'Andriamanitra, izay teny velona sady maharitra. 1 Petera 1:23 (DIEM)

  • Antoandro
Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao. Salamo 121:5

  • Alina
Aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin'ny fotoana isika raha tsy ketraka. Galatianina 6:9 (Katôlika)

vendredi 21 septembre 2012

  • Maraina
Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza; hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo. Izaho no nanao anareo sy nitrotroanareo hatrany; eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo. Isaia 46:4 (DIEM)

  • Antoandro
Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena, amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’ ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako. 2 Korintiana 12 :10

  • Alina
Izao no lazain'ny Tompo: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny; ny mahery, tsy hirehareha amin'ny heriny; ny manankarena, tsy hirehareha amin'ny hareny. Jeremia 9:22 (Katôlika)

jeudi 20 septembre 2012

  • Maraina
Fa vovo-tany ianao, ka hiverina ho vovo-tany. Genesisy 3:19 (DIEM)

  • Antoandro
Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. Ohabolana 4:24-25

  • Alina
Ny Tompo dia Andriamanitra mitandro hasina sy manafay. Nahoma 1:2a (Katôlika)

mercredi 19 septembre 2012

  • Maraina
Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo. Romanina 13:8 (DIEM)

  • Antoandro 
Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Genesisy 1:31

  • Alina
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Fiangonan'ny Tompo izay novidiny tamin'ny rany. Asa 20:28 (Katôlika)

mardi 18 septembre 2012

  • Maraina
Aza matahotra na mivadi-po ny amin'io tafika goavana io, fa tsy anareo ny ady, fa Ahy Andriamanitrareo. 2 Tantara 20:15 (DIEM) 

  • Antoandro
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Matio 5:6 

  • Alina
Ary esory amin'ny ratsy ny tongotrao. Ohabolana 4:27 (Katôlika)

vendredi 14 septembre 2012

  • Maraina
Tsy mba mizaha tavan'olona Andriamanitra. Kolosianina 3:25 (DIEM)

  • Antoandro
Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako. Isaia 42 :16

jeudi 13 septembre 2012

  • Maraina
Na inona na inona ataonareo, dia tontosao amin'ny fo tokoa tahaka ny atao amin'i Jesoa Tompo fa tsy amin'olona. Eny, fantatrareo fa i Jesoa Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny anjara lova natokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra; satria ny tena Tompo Izay tompoinareo, dia i Kristy. Kolosianina 3:23-24 (DIEM)

  • Antoandro
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony... Tsara ny mialoka amin'i Jehovah noho ny mialoka amin'ny olona. Salamo 118: 1,8

  • Alina
Sitrako ny midera Anao amin'ny foko manontolo. Salamo 138:1a (Katôlika)

mercredi 12 septembre 2012

  • Maraina
Fantatro fa taranak'i Abrahama ianareo, kanefa mitady hamono Ahy satria tsy tafalatsaka ao anatinareo ny teniko. Johany 8:37 (DIEM)

  • Alina
Ianareo no taratasinay voasoratra ato am-ponay, sady fantatra sy vakîn'ny olon-drehetra. 2 Kôrintianina 3:2 (Katôlika)

mardi 11 septembre 2012

  • Maraina
Mankanesa aty amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran'ny lalana, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo. Matio 11:28 (DIEM)

  • Antoandro
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. Efesiana 6:11-12

  • Alina
Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana ombany kely akory. Ohabolana 3:31 (Katôlika)

vendredi 7 septembre 2012

  • Maraina
Andraso ny ondriko. Jaona 21:15-17 (DIEM)

  • Alina
Ary hoy i Jesoa taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao. Lioka 8:48a (Katôlika)

mercredi 5 septembre 2012

  • Maraina
Dia reko ny feon'ny TOMPO nanontany hoe:
-Iza no hirahiko, ary iza no hompitondra teninay?
Dia namaly aho hoe: Inty aho, iraho aho.
Isaia 6:8 (DIEM)

  • Antoandro
Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Romana 12:1

  • Alina
Koa ankehitriny izao no lazain'ny Tompon'ny Tontolo: Diniho tsara ny lalanareo. Hagay 1:5 (Katôlika)