Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza; hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo. Izaho no nanao anareo sy nitrotroanareo hatrany; eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo. Isaia 46:4 (DIEM)
Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena,
amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’
ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no
fahatanjahako. 2 Korintiana 12 :10
Izao no lazain'ny Tompo: Aoka ny hendry
tsy hirehareha amin'ny fahendreny; ny mahery, tsy hirehareha amin'ny
heriny; ny manankarena, tsy hirehareha amin'ny hareny. Jeremia 9:22 (Katôlika)