Dia reko ny feon'ny TOMPO nanontany hoe:
-Iza no hirahiko, ary iza no hompitondra teninay?
Dia namaly aho hoe: Inty aho, iraho aho. Isaia 6:8 (DIEM)
Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Romana 12:1
Koa ankehitriny izao no lazain'ny Tompon'ny Tontolo: Diniho tsara ny lalanareo. Hagay 1:5 (Katôlika)