Ary nanatona an'i Jesoa ity lehilahy marary
hoditra ka nitalaho taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao
taminy hoe: Raha sitrakao, dia hainao diovina aho. Onena azy i Jesoa ka
nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: Sitrako, madiova ianao. Marka 1:40:41 (DIEM)
Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy. Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina. Tsy mba manahinahy hahare loza izy;
Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony. Salamo 112:5-7