mardi 31 juillet 2012

  • Maraina
  "Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena". Salamo111:10 (DIEM)

  • Antoandro
"Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa." Ohabolana 23:15 

  • Alina
 "Raha mitoetra ao anatin'ny teniko ianareo dia ho mpianatro marina, sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo." Joany 8:31b-32 (Katôlika)

lundi 30 juillet 2012

Aim-panahy Isan'andro

  • Maraina
"Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fiderako, fa Izy no mpamonjy ahy".ISAIA 12:2 (DIEM)

  • Antoandro 
"Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra. Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa," Romana 15:17-18 

  • Alina
 "Ary hoy i Jesoa taminy: Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao dia hahita ny voninahitr'Andriamanitra?"  Joany 11:40 (Katôlika)

mercredi 18 juillet 2012

Aim-panahy isan'andro


  • Maraina

Itafio avokoa ny fiadiana omen'Andriamanitra, mba hahazoanareo hamahatra tsara eo anatrehan'ireo tetika afitsoky ny devoly. Tsy olombelona nofo aman-dra tsy akory no ifanandrinantsika, fa ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka: dia ireo fanapahana, ireo fahefana, ireo hery mifehy ny sehatry ny haizina. EFESIANINA 6:11-12 (DIEM)

  • Antoandro

Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. MATIO 6:14

  • Alina

Aza miantehitra amin-kavana, ary aza mitoky amin-tsakaiza; na eo anatrehan'ny vady fihininao aza, dia tandremo ny teny aloaky ny vavanao! MIKEA 7:5 (KATÔLIKA)

mardi 17 juillet 2012

Aim-panahy isan'andro


  • Maraina

Ny lalana manontolo dia tanteraka amin'ny didy tokana hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao! GALATIANINA 5:14 (DIEM)

  • Antoandro

Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany. Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy. SALAMO 37:23-24

  • Alina

Ny fihavanana sy fifamporisihana ho tsara àry no aoka hokatsahintsika. RÔMANINA 14:18 (KATÔLIKA)

lundi 16 juillet 2012

Aim-panahy isan'andro


  • Maraina

TOMPO o, nandinika ahy Ianao ka fantatrao avokoa ny momba ahy. Mahagaga loatra amiko ny fahalalanao ahy; avo tokoa izany, ka tsy takatro velively. SALAMO 139:1-16 (DIEM)

  • Antoandro

Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. FITOMANIANA 3:25

  • Alina

Fa Izaho Tompo dia tia ny rariny, halako ny fandrobana mbamin'ny tsy fahamarinana. IZAIA 61:8A (KATÔLIKA)

mardi 10 juillet 2012

Aim-panahy isan'andro


  • Maraina

Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao. Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon'ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo. ISAIA 43:1-2 (DIEM)

  • Antoandro

Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. SALAMO 55:22

  • Alina

Milaza mazava ny Fanahy Masina fa any aoriana any, dia hiala amin'ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran-demony. 1 TIMÔTE 4:1 (KATÔLIKA)

lundi 9 juillet 2012

Aim-panahy isan'andro

  • Maraina
Tsy misy olombelona tsy manota. 2 TANTARA 6:36b (DIEM)

  • Alina
Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra. 1 Jaona 4:15

dimanche 8 juillet 2012

Aim-panahy isan'andro

  • Maraina
Aoka tsy havela hanjaka ao amin'ny tenanareo mety maty ny fahotana, ka tsy hanaraka ny filany ianareo. Atolory an'Andriamanitra ny tenanareo toy ny olona efa maty no velona indray, ary atolory an'Andriamanitra ireo zavatra anisan'ny tenanareo mba ho fiasana hoentiny hanao ny marina. Tsy hanan-kery aminareo intsony ny fahotana, noho ianareo tsy eo ambany fahefan'ny lalana, fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana. ROMANINA 6:12-14 (DIEM)

  • Alina
 Ary maro amin'ireo mandry ao amin'ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin'y latsa amam-panariana mandrakizay. Daniela 12:2 (Katôlika)

samedi 7 juillet 2012

Aim-panahy isan'andro


  • Maraina
Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan'ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran'i Jodea mbamin'i Samaria ary hatrany amin'ny faran'ny tany. ASAN'NY APOSTOLY 1:8 (DIEM)

  • Antoandro
Anaka, atolory Ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako. OHABOLANA 23:26

  • Alina
Misy mangina satria tsy mahita havaly; misy mangina satria mahalala fa izany no mety. SIRÀKA 20:6 (KATÔLIKA)