- Maraina
Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao. Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon'ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo. ISAIA 43:1-2 (DIEM)
- Antoandro
Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. SALAMO 55:22
- Alina
Milaza mazava
ny Fanahy Masina fa any aoriana any, dia hiala amin'ny finoana ny sasany, ka
hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran-demony.
1 TIMÔTE 4:1 (KATÔLIKA)