jeudi 21 juin 2012

Aim-panahy isan'andro


Maraina
Izaho no Mpiandry tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry.
JOHANY 10:11 (DIEM)

Antoandro
Aza manahy, any aza matahotra azy; Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo.
DEOTERONOMIA 1:29-30

Alina
Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
MATIO 10:26B (KATÔLIKA)