mardi 19 juin 2012

Aim-panahy isan'andro


Maraina
Nampahorina ny Mpanompon'ny TOMPO, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan'ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy. 
ISAIA 53:7 (DIEM)

Antoandro
Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
HEBREO 11:6

Alina
Koa tomoera tsara, ry mpiray tampo ara-pinoana; ary tano ny fampianarana noraisinareo taminay, na am-bava na an-taratasy.
2 TESALONOSIANINA 2:15 (Katôlika)