•Maraina
Eny,
izao
no sitrapon'ny
Raiko:
dia ny
hahavelona
aina
mandrakizay
ny
olona
rehetra
mibanjina
sy
mino
ny
Zanaka;
ary
Izaho
dia hanangana
azy
ho velona
amin'ny
andro
farany.
JOHANY
6:40 (DIEM)
•Antoandro
Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany,
Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
SALAMO
91:14-16
•Alina
Ario
àry
ny
lainga,
ka samia
milaza
ny
marina amin'ny
namany
avy,
fa anisan'ny
tena
iray
ihany
isika
rehetra
ka mifampiankina.
EFEZIANINA
4:25 (Katôlika)