vendredi 17 février 2012

1 MPANJAKA 18:27 (DIEM) ; 2 Korintiana 13:5 ; Izaia 40:30-31 (Katôlika)

  • Maraina 
« Antsoy mafy ihany fa andriamanitra izy, ka sao dia maro herehina na koa mbola varian-dresaka, na misy dia nalehany, na koa matory angamba izy ka mila hofohazina » 1 MPANJAKA 18:27 (DIEM) 

  • Antoandro 
« Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, FA AO ANATINAREO JESOSY KRISTY, raha tsy olona nolavina ianareo ? » 2 Korintiana 13:5 

  • Alina 
« Ny zatovo mety sasatra, ary ny tanora mety hangozohozo; fa izay miankina amin'ny Tompo kosa dia mamelombelon-kery hatrany, misidina avo toy ny voromahery, mihazakazaka tsy hahalala sasatra, mandroso ka tsy hahatsiaro vizana. » Izaia 40:30-31 (Katôlika)

jeudi 16 février 2012

1 MPANJAKA 17 :22-23 (DIEM); Jona 3:10; Ohabolana 29:22 (Katôlika)

  • Maraina 
« Ry TOMPO Andriamanitra ô, mitalaho aminao aho mba hamelomanao indray ity zaza ity. Nohenoin’ny TOMPO ny vavak’i Elia dia niverina taminy indray ny ain’ny zaza ka velona soa aman-tsara izy. »1 MPANJAKA 17 :22-23 (DIEM)

  • Antoandro 
« Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany ».Jona 3:10 

  • Alina 
« Ny olona mora tezitra, mamelona ady; ny olo-masiaka, be hadisoana. » Ohabolana 29:22 (Katôlika)

mercredi 15 février 2012

LEVITIKA 19:18b (DIEM) ; Fitomaniana 3:25 ; Kôhelety 3:11a (Katôlika)

  • Maraina 
"Tiava ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Izaho no TOMPO."LEVITIKA 19:18b (DIEM) 

  • Antoandro 
"Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy."Fitomaniana 3:25 

  • Alina 
"Ka ny zavatra rehetra samy nataon'Andriamanitra ho tsara amin'ny fotoany avy."Kôhelety (Mpitoriteny) 3:11a (Katôlika)

mardi 14 février 2012

1 MPANJAKA 8 :57-58 (DIEM) ; Galatiana 5:16-17 ; Joany 6:43b (Katôlika)

  • Maraina 
« Enga anie ny TOMPO Andriamanitsika mba hiaraka amintsika tahaka izay efa niarahany tamin’ireo razantsika ; tsy hahafoy na handao antsika anie IZY, fa hampirona ny fontsika Aminy mba hizorantsika araka ny sori-dalany rehetra ary hitandremantsika ny didy aman-dalàna sy ny fitsipika izay nomeny an’ireo razantsika. »1 MPANJAKA 8 :57-58 (DIEM) 

  • Antoandro 
"Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo". Galatiana 5:16-17 

  • Alina 
"Aza mimonomonona ianareo."Joany 6:43b (Katôlika)

lundi 13 février 2012

I MPANJAKA 8:52 (DIEM) ; Efesiana 5:2 ; Marka 13:13 (Katôlika)

  • Maraina 
« Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, enga anie ny masonao hijery ary enga anie Ianao hihaino ny fifonako sy ny an’ilay Israely vahoakanao isaky ny miantso Anao izahay. » I MPANJAKA 8:52 (DIEM) 

  • Antoandro 
« Mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.» Efesiana 5:2 

  • Alina 
« Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako, fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy.» Marka 13:13 (Katôlika)

dimanche 12 février 2012

1 MPANJAKA 3:12a-13a (DIEM); Jaona 3:3 ; Salamo 27:14 (Katôlika)

  • Maraina 
« Omeko saina hendry sy mahay manavaka ianao. Ary na izay tsy nangatahinao aza dia omeko anao koa, dia harena amam-boninahitra.»1 MPANJAKA 3:12a-13a (DIEM)

  •  Antoandro 
« Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra».Jaona 3:3 

  • Alina 
« Manantenà ny Tompo! Matokia ka herezo ny fonao! Manantenà ny Tompo!» Salamo 27:14 (Katôlika)

samedi 11 février 2012

2 SAMOELA 22 :2. 7 (DIEM) ; 1 Tesaloniana 5:15 ; Jôba 6:14 (Katôlika)

  • Maraina 
“Ny TOMPO no harambato fierena azo antoka ho ahy. Tao an-katerena aho no velon-taraina sy niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamanitro, ka tany an-Tempoliny Izy no nandre ny feoko ary koa nihaino izany antsoantsoko”.2 SAMOELA 22 :2. 7 (DIEM) 

  • Antoandro 
"Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra".1 Tesaloniana 5:15 

  • Alina 
"Zon'ny olon-ketraka ny hiantrana ndrao handao ny tahotra an'Andriamanitra izy."Jôba 6:14 (Katôlika)

vendredi 10 février 2012

EKSÔDY 3:7-8 (DIEM) ; Salamo 77:9 ; Lioka 12,15b (Katolika)

  • Maraina 
« Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy ; eny, fantatro ny fijaliany. Koa tafidina AHO mba hanafaka azy amin’ny fahefan’ny Ejiptiana, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely ».EKSÔDY 3:7-8 (DIEM) 

  • Antoandro 
"Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?"Salamo 77:9

  • Alina 
"Tandremo tsara sao azon'ny fitiavan-karena ianareo, fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'izay ananany."Lioka 12,15b (Katolika)

jeudi 9 février 2012

1 Samoela 12:20. 22 (DIEM) ; Kolosiana 3:23-24; Siràka 27:1a (Katôlika)

  • Maraina 
 « Aza matahotra. Marina fa nanao ireny ratsy isan-karazany ireny tokoa ianareo ; kanefa aza miala amin’ny TOMPO intsony, fa manompoa AZY amin’ny fonareo manontolo. Fa tsy handao anareo ny TOMPO noho ny fitandroany ny voninahiny, satria EFA SITRANY NY NANAO ANAREO HO VAHOAKANY. » 1 Samoela 12:20. 22 (DIEM) 

  • Antoandro 
"Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo." Kolosiana 3:23-24

  • Alina 
"Maro ny manota mba hahazoana tombony."Siràka 27:1a (Katôlika)

mercredi 8 février 2012

MPITSARA 10:13. 15-16 (DIEM); 1 Korintiana 8:1b-3; Matio 6:34 (Katôlika)

  • Maraina 
“Saingy ianareo dia nandao Ahy ka nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany dia tsy hamonjy anareo intsony Aho. Fa hoy ny Israelita tamin’ny TOMPO: Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay! Dia narian’ny Israelita tsy ho eo anivon’izy ireo ny andriamani-kafa, ka notompoiny indray ny TOMPO izay tsy nahazaka hijey ny fi...jalian’ny Israely.” MPITSARA 10:13. 15-16 (DIEM)

  • Antoandro 
"Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso. Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy. Fa raha misy tia an'Andriamanitra, dia izy no fantany".1 Korintiana 8:1b-3

  • Alina 
"Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy."Matio 6:34 (Katôlika)

mardi 7 février 2012

DEOTERÔNÔMY 7:7-8 (DIEM) ; Hebreo 13:5; Salamo 119:60 (Katôlika)

  • Maraina 
« Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo, Fa raha nentin’ny TOMPO tamin’ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin’ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta, dia satria TIAN’NY TOMPO IANAREO ary tandrovany aminareo ...ny fianianana nataony tamin’ny razambenareo. » DEOTERÔNÔMY 7:7-8 (DIEM)

  • Antoandro 
"Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory."Hebreo 13:5

  • Alina 
"Midodododo aho, fa tsy mangataka andro, hitandrina ny didinao." Salamo 119:60 (Katôlika)

lundi 6 février 2012

MPITSARA 6:12 (DIEM) ; Jaona 15:5 ; Matio 16:25-26a (Katôlika)

  • Maraina 
"Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!" MPITSARA 6:12 (DIEM)

  • Antoandro 
"Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona." Jaona 15:5

  • Alina 
"Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?" Matio 16:25-26a (Katôlika)

dimanche 5 février 2012

DEOTERÔNÔMY 11:16 (Diem); Deoteronomia 31:6; Salamo 118:4 (Katôlika)

  • Maraina 
 « Mitandrema ianareo fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamani-kafa ianareo sy hiankohoka eo anatrehany ». DEOTERÔNÔMY 11:16 (Diem)

  • Antoandro 
"Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy." Deoteronomia 31:6

  • Alina 
"Aoka izay matahotra ny Tompo hamerina hoe: Eny, mandrakizay ny fitiavany!"Salamo 118:4 (Katôlika)

samedi 4 février 2012

1Samoela 2:7 ; Matio 7:12; Jakôba 5:15 (Katôlika)

  • Maraina 
“Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra”. 1Samoela 2:7 

  • Antoandro 
 "Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany." Matio 7:12

  • Alina 
"Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary; hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany." Jakôba 5:15 (Katôlika)

vendredi 3 février 2012

Deoteronomia 7 :9-10 ; Ohabolana 4:23 ; Jakoba 1:19b (Katôlika)

  • Maraina 
“Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby, ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary”.Deoteronomia 7 :9-10

  • Antoandro 
"Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina".Ohabolana 4:23

  • Alina 
"Aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra."Jakoba 1:19b (Katôlika)

jeudi 2 février 2012

Isaia 66:4b; Jakoba 4:13-15 ; Lioka 3:9 (Katôlika)

  • Maraina 
"Niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny". Isaia 66:4b

  • Antoandro 
"He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany." Jakoba 4:13-15

  • Alina 
"Efa mby eo am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo." Lioka 3:9 (Katôlika)

mercredi 1 février 2012

Deoteronomia 4:39-40; Matio 18:21-22 ; Hebrio 10:23 (Katôlika)

  • Maraina 
 “Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, FA JEHOVAH NO ANDRIAMANITRA ANY AMIN'NY LANITRA AMBONY SY ETY AMIN'NY TANY AMBANY, KA TSY MISY AFA-TSY IZY. Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay”. Deoteronomia 4:39-40

  • Antoandro 
"Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo." Matio 18:21-22

  • Alina 
 "Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin'ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky ilay nanao ny fampanantenana." Hebrio 10:23 (Katôlika)