- Maraina
“Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no
Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy
famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny
taranaka arivo mandimby, ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny
fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa
hamaly azy miharihary”.Deoteronomia
7 :9-10
- Antoandro
"Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina".Ohabolana 4:23
- Alina
"Aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra."Jakoba 1:19b (Katôlika)