- Maraina
"Niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy;
Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny". Isaia
66:4b
- Antoandro
"He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany
Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary
hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona
moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia
levona. Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay,
dia hataonay izao na izany." Jakoba
4:13-15
- Alina
"Efa mby eo am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo
rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo." Lioka
3:9 (Katôlika)