- Maraina
"Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia
mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy
mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy
voavoatra ny trano. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy
noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany...
dia ratsy noho ny voalohany". Lioka 11:24-26
- Antoandro
"Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny
razanay; Fa efa nanota taminao izahay. Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao
izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan'ny voninahitrao; Tsarovy,
ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay". Jeremia 14:20-21
- Alina
"Mazotoa,
fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo." Romana
12:11