lundi 9 janvier 2012

Eksodosy 34:6-7; Eksodosy 15:26; Tito 2:7b-8a DIEM

  • Maraina
"Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana, mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika." Eksodosy 34:6-7

  • Antoandro
"Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao." Eksodosy 15:26

  • Alina
"Aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina: teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina." Tito 2:7b-8a DIEM