mercredi 11 janvier 2012

Eksodosy 23:7-8; 1 Petera 3:10-11; Ohabolana 2:2a

  • Maraina
"Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina." Eksodosy 23:7-8

  • Antoandro
"Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy." 1 Petera 3:10-11

  • Alina
"Ka atongilano amin'ny fahendrena ny sofinao." Ohabolana 2:2a