- Maraina
"Indro, Izaho mametraka fitahiana
sy ozona eo anoloanareo anio: FITAHIANA, raha hohenoinareo ny didin'i Jehovah
Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio; ary OZONA kosa, raha tsy
hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny
lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka
andriamani-kafa izay tsy fantatrareo". Deoteronomia 11:26-28
- Antoandro
"Aza mety hofitahina ianareo;
Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. Fa izay
mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay
mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny
Fanahy." Galatiana 6: 7-8
- Alina
"Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah
Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay handidiako
anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena
rehetra amin'ny tany hianao." Deoteronomia 28:1