mardi 31 janvier 2012

Rota 2:1; Galatiana 6:7; Filipiana 4:13 (Katôlika)

  • Maraina 
"Hamaly ny nataonao anie Jehovah ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany ianao". Rota 2:1

  • Antoandro 
"Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany". Galatiana 6:7

  • Alina 
"Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin'ilay mankahery ahy." Filipiana 4:13 (Katôlika)

lundi 30 janvier 2012

Deoteronomia 30:9 ; Matio 3:2 ; I Kor 7:32 (Katôlika)

  • Maraina
"Hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao." Deoteronomia 30:9

  • Antoandro
 "Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra." Matio 3:2

  • Alina
"Ka tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo." I Kor 7:32 (Katôlika)

dimanche 29 janvier 2012

Josoa 1:5; Lioka 18:27; I Joany 2:29 (Katôlika)

  • Maraina
"Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho". Josoa 1:5

  • Antoandro
"Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra." Lioka 18:27

  • Alina
"Raha fantatrareo fa marina izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina dia zanany naterany."

samedi 28 janvier 2012

Deoteronomia 15:1; Mpitoriteny 3:11; Ohabolana 3:5 (Katôlika)

  • Maraina 
"Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao." Deoteronomia 15:1

  • Antoandro 
 "Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany." Mpitoriteny 3:11

  • Alina 
 "Matokia an'Yaveh amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'ny sainao ihany." Ohabolana 3:5 (Katôlika)

vendredi 27 janvier 2012

Deoteronomia 30:19; Romana 6:23; Galata 1:8 (Katôlika)

  • Maraina
"Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao". Deoteronomia 30:19

  • Antoandro
"Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika".Romana 6:23

  • Alina
"Fa na ny tenanay, na anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy."Galata 1:8 (Katôlika)

jeudi 26 janvier 2012

Eksodosy 23:22; 2 Timoty 2:19; Ny Salamo 13:6 (Katôlika)

  • Maraina 
"Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho." Eksodosy 23:22

  • Antoandro
 "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy." 2 Timoty 2:19

  • Alina 
"Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako; ny famonjenao no hientanan'ny foko, hihira ho an'Iaveh aho, noho ny soa nataony tamiko." Ny Salamo 13:6 (Katôlika)

mercredi 25 janvier 2012

Genesisy 5:5; Salamo 58:1; Romana 10:17 (Katôlika)

  • Maraina 
 "Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia 930 taona; dia maty izy".Genesisy 5:5

  • Antoandro 
 "Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?" Salamo 58:1

  • Alina 
 "Koa avy amin'ny toriteny ny finoana; ary avy amin'ny tenin'Andriamanitra ny toriteny." Romana 10:17 (Katôlika)

mardi 24 janvier 2012

Deoteronomia 30:11, 14; Romana 10:9 ; Hebreo 11:1

  • Maraina
"Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra. Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao." Deoteronomia 30:11, 14

  • Antoandro
"Raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao". Romana 10:9

  • Alina
"Ary ny finoana no fahatokisana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." Hebreo 11:1

lundi 23 janvier 2012

Deoteronomia 28:6 ; 1 Jaona 3:16; Salamo 1:1-2 DIEM

  • Maraina 

"Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka". Deoteronomia 28:6 
 
  • Antoandro
"Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy." 1 Jaona 3:16
 
  • Alina
"Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin'ny lalan'ny mpanota, na miray toerana amin'ny mpaniratsira! Fa ny fampianaran'ny Tompo no sitrany, ka dia saintsaininy andro aman'alina." Salamo 1:1-2 DIEM

dimanche 22 janvier 2012

Deoteronomia 23:22-23; 1 Samoela 16:7b; I Samoela 2:1


  • Maraina
"Raha mivoady amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin'i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao. Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany." Deoteronomia 23:22-23

  • Antoandro 
"Fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo".1 Samoela 16:7b

  • Alina 
"Ny foko ravoravo amin'i Jehovah..." I Samoela 2:1

samedi 21 janvier 2012

Deoteronomia 20:3b-4; 1 Korintiana 2:14; Lioka 21:34


  • Maraina
"Aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo." Deoteronomia 20:3b-4

  • Antoandro
"Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany." 1 Korintiana 2:14

  • Alina
"Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany." Lioka 21:34

vendredi 20 janvier 2012

Deoteronomia 10:12-13, Lioka 12:22. 25; Salamo 37:4 DIEM

  • Maraina
"Ary ankehitriny, ry Isiraely o, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao?" Deoteronomia 10:12-13

  • Antoandro
"Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanareo, izay hotafinareo. Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?" Lioka 12:22. 25

  • Alina
"Aoka ny Tompo no hiravoanao, dia homeny anao izay irin'ny fonao!" Salamo 37:4 DIEM

jeudi 19 janvier 2012

Deoteronomia 4:31; 1Jaona 3:1; Filipianina 4:6

  • Maraina
"Fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy." Deoteronomia 4:31

  • Antoandro
‎"Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy." 1Jaona 3:1

  • Alina
"Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin'Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin'ny fo feno fankasitrahana." Filipianina 4:6


mercredi 18 janvier 2012

Nomery 23:19 ; Jaona 6:27; Ohabolana 9:8

  • Maraina
"Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?" Nomery 23:19
 
  • Antoandro
"Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase." Jaona 6:27
 
  • Alina
 "Aza mananatra ny mpaniratsira hianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao." Ohabolana 9:8

mardi 17 janvier 2012

Nomery 12:11; Ohabolana 10:3; Efesiana 2:1

  • Maraina
"Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay". Nomery 12:11

  • Antoandro
"Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy." Ohabolana 10:3

  • Alina
"Ary hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo." Efesiana 2:1

lundi 16 janvier 2012

Nomery 14:11. 19; Salamo 4:4; Lioka 11:28b

  • Maraina
"Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindram-ponao." Nomery 14:11. 19

  • Antoandro
"Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina." Salamo 4:4

  • Alina
"Kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina azy." Lioka 11:28b